Poetawebs200

Boky sy zon'ny mpamorona!

‎Boky sy zon'ny mpamorona Hery Rakotonirainy — 23/04/2026
PoetawebsAmbohipihaonan'ny  mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny boky ny andron'ny 23 aprily izay fotoana ankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny boky sy ny zon'ny mpamorona. Mandritra ny hateloana ny tsenaben'ny boky eo amin'ny tranombokim-pirenena Anosy.
‎Ity hetsika ity dia sehatra iray natokana hifanandratan’ny mpanoratra, mpanonta boky, mpivaro-boky, mpiandraikitra trano famakiam-boky ary indrindra ireo mpamaky. Eny an-toerana koa no ahitana fampirantiana sy varotra boky isan-karazany, izay mikendry ny hanaitra ny fahalianan’ny sokajin-taona  amin’ny vaky boky, antoky ny fandrosoan’ny saina.

Ny tanjona dia ny hanakaiky ny mpamaky amin’ny tontolon’ny soratra sy ny literatiora



Poetawebs‎Nitondra fanazavana mikasika ny zon’ny mpamorona kosa ny Tale jeneralin’ny OMDA Haja Ranjarivo  ka nilaza fa mitovy avokoa ny zon’ny mpamorona, ao anatin’izany ny mpanoratra sy ny mpihira. Rehefa natonta ohatra ny boky dia misy ny zon’ny mpamorona ary miankina amin’ny isan’ny boky lafo ny zo sitrahina amin'izany. Koa rehefa sanganasa noforonina ka  ampiasaina ampahibemaso dia afaka misitraka ny zon’ny mpamorona.

___________________
Boky sy zon'ny mpamorona!
Tatitra : Hery Rakotonirainy
Sary : Raveloarison Patrick sy Rita Ralamboarijaona

Ajouter un commentaire

Anti-spam