Poetawebs200

Antson'ny Avo : Poeta Mitia

Antson'ny Avo : Poeta Mitia ‎Tsikimilamina Rakotomavo — 21/05/2026
 Poeta vehivavy, poeta mandray andraikitra, itoeran'ny fihetseham-po lalina no mivahiny eto amin'ny Tapatapakahitra. Mamaly ireo fanontanian'i Tsikimilamina Rakotomavo izy.

Poetawebs‎Tsikimilamina Rakotomavo
Faly mandray anao  izahay eto amin'ny amin'ny Poetawebs.

Antson'ny Avo
Finaritra e! Faly mitafa aminareo koa.

Tsikimilamina Rakotomavo
Azonao ambara ve ny anarana isaloranao eo amin'ny kanto?

Antson'ny Avo
Ny Antso no ahafantaran'ny mpiara-belona ahy, Antson'ny Avo kosa no soniako eo amin'ny sehatry ny literatiora. Mpanoratra mpikambana ao amin'ny MPIZAKA STeLaRiM aho. Manoratra tononkalo, sombintantara, ary tantara an'onjam-peo aho.

PoetawebsTsikimilamina Rakotomavo
Inona no mampiavaka ny tononkalo foroninao?

Antson'ny Avo
Ny ankamaroan'ny asasoratro dia  sombintantara. Na izany aza ny mampiavaka ny tononkaloko dia izy mirona amin'ny fanajana ny hasina maha olona fa amin'ny fomba malefaka kokoa mba tsy hahamonamonaina ny mpamaky.

Tsikimilamina Rakotomavo
Te hahita ny sora-kantonao izahay!

Antson'ny Avo
Inty àry misy tononkalo iray.

‎Siokan'ny fanahy

‎Tanebakeba-bato tsy nisy fo mitempo
‎Tanebakeba-gina tsy nisy afa-tsy sento
‎Tanebakeba-tiana modimody tia
‎Nandrenesako hira nanainga ahy handihy.

‎Tanaty haizina tsy nisy hazavana,
‎Nijoro indry ho fanilon'ny lalana hombana.
‎Tanaty haizina rako-pankahalana,
‎Nijoro indry ho fanilo mandroaka ny fanala.

‎Kely indry fa ampy nanototra ny banga;
‎Nandoko ny lanitro ho mena sy ho manga.
‎Nitia indry fa tsy nitsara ny lasa feno ota.
‎Tsy nihaino ireo nandrara, nihoatra ireo kanosa.

‎Dia andriamanitra indry amiko, mahefa sy mahery;
‎Mpanoro, mpiaro, mpanampy, mpankahery
‎Feo lafika nanainga ahy handroso
‎Aloka niaro ahy tsy hikoroso

‎Tiako atao hoe malala indry nefa kely loatra izany.
‎Fa ny fisian'indry? Kanto nama izany a!
‎Ilay tsy niala mihitsy na nisy ambana nanaloka.
‎Dia mahatoky koa, mambosaka ireo sarotra.

‎Tiako nama indry a!
‎Amin'ny foko manontolo.
‎Ny mombamomba an'indry?
‎Mahakasika ahy daholo.

‎Fa
‎Tanatin'ireo maro, nizotra hanohy ny lalany.
‎Nikopaka ahy indry dia nitia hatramin'ny farany.
‎Anatin'ireo maro modimody tiavina,
‎Hafa mihitsy indry, maman'i Hasambarana.

‎Antson'ny Avo, 03/03/2026 - 06h53

PoetawebsTsikimilamina Rakotomavo
Aingam-panahy mitosaka mihitsy izany ambaranao izany. Aminao, inona no antsoina hoe sora-kanto?

Antson'ny Avo
Amiko, ny sora-kanto dia asasoratra manaitra nefa tsy mankaleo ny mpamaky ka sady ahitany fy no misy akony miabo aminy.

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no hevitra voizinao matetika amin'ireo kalonao?

Antson'ny Avo
Mikasika ny fitiavana amin'ny ankapobeny matetika ny asasoratro.

‎Tsikimilamina Rakotomavo
Ahoana no fahitanao ny hoavin'ny tononkalo malagasy?

Antson'ny Avo
Amiko, mitaha amin'ny asasoratra hafa ny tononkalo no mahazo vahana sy miroborobo indrindra eto amintsika ka tsy dia atahorana loatra ny hoaviny.

Tsikimilamina Rakotomavo
Raha rima ianao dia inona?

Antson'ny Avo
Raha rima aho dia rima mifampitantana.

PoetawebsTsikimilamina Rakotomavo
Ary raha sarinteny?

Antson'ny Avo
Raha sarinteny aho dia fanovana endri-javatra (métaphore).

Tsikimilamina Rakotomavo
Mankasitraka anao nivahiny harivariva teto amin'ny Tapatapakahitra.

Antson'ny Avo
Mankasitraka anareo ao amin'ny Poetawebs ihany koa amin'ny fanasana ahy  amin'izao Tapatapakahitra izao, dia mirary soa indrindra!
___________________
ANTSON'NY AVO : Poeta Mitia
‎Tsikimilamina Rakotomavo — Poetawebs

Commentaires

  • Maman'i Hasambarana

    1 Maman'i Hasambarana Le 24/05/2026

    Misaotra indrindra fa tsara ilay tononkalo. Mirary an'indry hisandratra avo dia avo aho akia. Tiako indry !
  • Toetra Ràja

    2 Toetra Ràja Le 23/05/2026

    Mirary fahombiazana ho an'i Antson'ny Avo!

Ajouter un commentaire

Anti-spam