Dim'he-tsi
Toetra Ràja— 20/05/2026
Nanamarika
ny sehatry ny literatiora ny seho antsa tononkalo "DIM'HE-TSI" izay
nokarakarain'ny Faribolana Sandratra tao amin'ny CGM Analakely ny
tolakandron'ny 18 avrily 2026 lasa teo. Mpanoratra telo mianadahy no
tompon'ny sehatra izay nahitana an'i Dimby Mahenina sy Herinina ary
Tsitoha Agape. Samy mpanoratry ny Faribolana Sandratra izy ireo.
Nanampy tamin'izany koa i Lova Santatra, Voary, Nirihaja, Miaro Zo
namelona ny aingan'izy telo mianadahy.
Ankoatra ny aingam-panahy naseho tamin'ny antsa tononkalo dia niavaka
koa ny haingon-tsehatra sy ny fanampim-pitaovana tahaka ny torajiro
namoahana ny poezia an-tsary izay nifamatotra tamin'ny poezia
nantsaina...
Nizara roa ny fotoana, tao aloha ny fianohana ireo antsa tao anatina
tara-kevitra maromaro tsy nanavahana ny firehan'ny mpanatrika:
fitiavana, fiainana, soratra, vola,... Nanamarika ny tapany faharoa
kosa ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny tompon-tsehatra sy ny
mpijery. Tao anatin'izany indrindra no nahatakarana ireo dindo samihafa
tao ambadik'ity lohahevitra miavaka ity, ary namaliana ny hetahetan'ny
mpanatrika rehetra.
Tsy hadinoina koa fa niaraka tamin'ny famoaham-boky izao seho izao mba
hojifain'ny rehetra ka dia tombony ho an'ny mpankafy ny fisian'izany ho
vaingam-pahatsiarovana... ary koa enti-manohana ny mpanoratra sy ny
asasoratra.

 |
Nafana ny antsa tononkalo
niavaka ny ravaky ny Dim'He-Tsi
|
 |
Loko hafa indray
Dinidinika? Antsa?
|
 |
Fizarana faharoa —
fifanakalozan-kevitra
Miankavanana :
Mahefa, Herinina, Dimby Mahenina, Tsitoha Agape
|
 |
| Ireo mpianoka :
miavaka ny vehivavy |
___________________
DIM'HE-TSI
Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Ny Tsiaro sy Santatra Ramarozaka
Ajouter un commentaire