Poetawebs200

Famaritana ny literatiora

Famaritana ny literatiora Tsikimilamina Rakotomavo — 10/05/2026
 Nanakaiky ny mpianatry ny oniversiten'Antsiranana lalam-piofanana Malagasy L2 ny Poetawebs momba ny famaritana azon'ireo mpianatra 25 zaraina ho an'ny mpisera. Hoezahin'ny tranonkala koa amin'ny fotoana hafa ny hamantatra ny famaritan'ny mpianatra ny antsoina hoe poezia.

PoetawebsVONIMBOLA Angelin
Ny atao hoe literatiora dia fitambaran’ireo sanganasa kanto rehetra izay vita amin’ny alalan’ny teny, novokarin’ny mpahaikanto sy mpahaisoratra.



PoetawebsBE Casmir Sylvio
Ny literatiora dia zavakanto vokatry ny fo sy fanahy, iasaina amin’ny alalan’ny soratra sy teny.



PoetawebsVISOLINA
Ny atao hoe literatiora dia zavakanto novokarina tamin’ny alalan’ny soratra na am-bava izay maneho ny hainteny.



PoetawebsBEMAHAVITA Roberto
Ny literatiora dia zavakanto mampirindra sy mamolavola ny fiarahamonina ary mampiseho ny maha izy azy ny firenena iray.



PoetawebsRASOAVOLOLONA Samrà
Ny literatiora dia fanambarana ny aingam-panahy izay vita amin’ny fomba kanto, voasoratra mirindra sy atao am-bava ka fanehoana ny sanganasa voarafitra.



PoetawebsZAFY Sera Clartà
Ny atao hoe literatiora dia zavakanto manandratra ny teny, anehoana ny fihetseham-po sy hakanton’ny kolontsaina.



PoetawebsBAKOLIARISOA Felicia Emilienne
Ny literatiora dia sehatra ahafahan’ny mpanoratra mamorona tontolo sy toetra vaovao amin’ny alalan’ny teny.



PoetawebsSOAVINDRINA Edwige
Ny literatiora dia zavakanto anehoana ny fietseham-po sy saina ary ny zava-misy eo amin’ny fiainan’ny olombelona izay atao am-bava na an-tsoratra.



PoetawebsSOARIZIKY Tania
Ny literatiora dia zavakanto izay maneho hevitra sy mampihetsi-po.



PoetawebsJAOVORY Hannia
Ny literatiora dia zavakanto vita avy amin’ny teny, ampiasaina anehoana hevitra izay aseho am-bava na an-tsoratra.



PoetawebsSOA Kamila
Ny atao hoe literatiora dia fanehoan-kevitra am-bava na an-tsoratra izay aseho amin’ny fomba kanto.



PoetawebsSOA Elina
Ny literatiora dia fanehoana zava-kanto izay raketina an-tsoratra na am-bava izay entina mitahiry tantaram-pirenena.



PoetawebsMANANJARA Frido
Ny atao hoe literatiora dia fanehoan-kevitra am-bava na an-tsoratra ao amin’ny faritra na firenena iray aseho amin’ny fomba kanto.



PoetawebsSOAREZY Elodie
Ny literatiora dia famborahana an-tsoratra na am-bava amin’ny fomba kanto izay zava-misy hita taratra ao amin’ny fiarahamonina.



PoetawebsZAFY Bamamy Asna
Ny literatiora dia fomba anehoan’ny olona ny fihetseham-pony am-bava na an-tsoratra izay aseho amin’ny alalan’ny teny voalamina sy kanto.



PoetawebsNORO Christine Noéla
Ny literatiora dia fomba fandinihana ny teny voafantina tsara izay anehoana ny hevitra mirindra amin’ny alalan’ny eritreritra ka manintona ny mpamaky.




PoetawebsFANAMBINANA Jiovanis Orlando
Ny atao hoe literatiora dia ireo vokatr’asa izay novokarin’ny mpahay teny amin’ny alalan’ny talentany sy fihetsehem-pony.




PoetawebsSOAMAGNAFY Elsye Jeannielle
Ny literatiora dia fanehoan’ny mpanoratra ny heviny sy ny talentany am-bava na an-tsoratra ka asehony amin’ny fomba kanto.




PoetawebsRATSARAZAFY Wornela Elisabeth
Ny literatiora dia zavakanto mampiasa teny an-tsoratra na am-bava mba hanehoana fihetseham-po na eritreritra.




PoetawebsPIERRE Alide
Ny literatiora dia fahaizana maneho hevitra amin’ny fomba kanto manoloana ny zava-misy iainana eo anivon’ny fiarahamonina, vokatry ny fananana talenta sy aingam-panahy.




PoetawebsLOVA Sabruna
Ny literatiora dia zavakanto izay entina hanabeazana ny olona ao anatin’ny fiarahamonina ary natao hanehoana hevitra am-bava sy an-tsoratra ihany koa.




PoetawebsJEAN Eric
Ny atao hoe literatiora dia sanganasa atao an-tsoratra na am-bava entina hanabeazana sy hialana voly amin’ny tany sy ny fiarahamonina ary ny firenena.




PoetawebsRAFANOMEZANTSOA Zikos Kascia
Ny literatiora dia fanehoana an-tsoratra na am-bava amin’ny fomba kanto ny hevitra sy ny fihetseham-po ary ny aingam-panahy manoloana ny zava-misy iainana.




PoetawebsMAMISOA
Ny literatiora dia zavakanto izay mampiasa ny teny ho fitaovana hanehoana hevitra, vina, tantara ary ny fihetseham-po.




PoetawebsRAZAFINDRATIANA Dhizzirnah
Ny literatiora dia zavakanto, talenta vita amin’ny alalan’ny teny aseho an-tsoratra na am-bava.




___________________
Famaritana ny literatiora - Mpianatry ny oniversiten'Antsiranana lalam-piofanana Malagasy
Nangonin'i Tsikimilamina Rakotomavo - Poetawebs

Ajouter un commentaire

Anti-spam