Hoy
i Zo-Maminiriana Mpanoratra

Mivela sy maharitra kokoa
ny boky raha mitaha amin'ny fiainana taloha, dia ny mitadidy vava sy ny
lovantsofina.
Zava-dehibe eo amin'ny fitehirizana ny kolontsaina sy ny soatoavina ny
fisian'ny boky, fitaovana iray mahomby eo amin'ny fivoizana ny
tontolon'ny fanabeazana rehetra.
Fitaovana iray mahomby amin'ny fitadiavana ny boky.
Mateza roritina izy satria mihoatra ny taonjato maro ny fahavelomany.
Arakaraky ny mahaantitra ny boky no mahasarobidy sy mahalafo azy.
Manentana antsika mba hazoto mamaky boky dia hajao toy ny
anakandriamaso izy.
Hoy
i Mahefa (Ramahatehotia) Mpanoratra

Mitahiry harena sy vakoka
lehibe ny boky.
Indraindray dia maminavina zavatra ho avy ihany koa izy.
Aro riaka ho an'ny olona any aorina izy satria misy torohevitra sy
vetsovetso. Tondrozotra mora tehirizina ny boky satria tsy mora azon'ny
"virus" toy ny solosaina.
Afo ihany no tena mety hamotika ny boky.
Azo entina amin'ny ora sy toerana rehetra ihany koa ny boky.
Raha te hiasa ny loha dia mamaky boky ihany satria ao avokoa ny lalana
rehetra ahafahana mandeha sy manatsara fiainana.
Ajouter un commentaire