Poetawebs200

Ny mpanoratra mioitra ny fijerin'ny fiarahamonina

Ny mpanoratra mioitra ny fijerin'ny fiarahamonina Faniry Ezeckiel — 20/05/2026
PoetawebsMahazatra ny saina aman'eritreritry ny maro ny mahita asasoratra manaraka ny tondrozotran'ny fiarahamonina, manentana amin'ny fomba manaitra mba hanaraka ny lamina efa mipetraka ireny sanganasa ireny. Misy anefa ireo soratra manohitra izay eken'ny besinimaro na mitondra hevi-baovao manaitra tsy fahita firy. Andeha ange hotomorina fohy ny mpanoratra sy ny fahafahany manoloana ny fiarahamonina!

Mpamorona ny mpanoratra. Eny, na mitantara ny zava-misy aza izy dia efa asa famoronana ny fiangaliana izany ho kanto. Afaka manakatra ny tsy takatry ny sarambaben'ny vahoaka izy ireo. Afa-mamorona ny tsy nisy mihitsy ao anaty betron'ny ambanilanitra. Araka izany, manana ny lanjany lehibe ireo forona manalavitra ny fijerin'ny fiarahamonina. Mety misy foto-pisainana ninoana ho ratsy sy tsy mendrika ny novoasan'ny mpanoratra ka nipoitra ny endriny miabo. Amin'ny alalan'ny endrika kanto, hevitra manaitra, fanehoana tsy mahazatra no hanokafan'ny mpanoratra ny varavaran'ny mpamaky hanitatra ny fahalalany.

Ekena fa mahafinaritra sy mitondra fanabeazana ny manaraka ireo soratra mitanisa ny zava-misy mahazatra ao anatin'ny tantara, sombintantara, tononkalo,... Hahamonamonaina ihany anefa ary zary toa manery ny saina ihany raha mbola tsy tapitra akory ilay zava-kanto dia efa fantatra ny fiafarany, efa hay ny lesona hafantsika ao an-tsaina.

Andeha hotakarintsika kosa ny harena lalina mifono ao anatin'ireny tara-kevitra mivetso fahamarinana hafa ivelan'ny eken'ny besinimaro ireny. Voavaofiny ao anaty sorakanto ny hafatra mafonja mitondra fijery hafa ka mety hamaha ireo voafatotra anatin'ny gejan'ny fiarahamonina, mety hitondra hery ho an'ireo miharitra ny fitsaran'ny hafa noho ny fijery tsy mitovy, ary indrindra noho ny lalam-piainana samy hafa nodiavina.

Ankoatra izay, mitondra fahalalahan-tsaina ho an'ny olombelona ireny karazan-tsoratra mirona amin'ny tsangan-kevitra mioitra ny finoana efa tafapaka ireny, mitarika ny olona hahay hipetraka amin'ny toeran'ny hafa ka hampitombo lanja ny fifanomezan-kasina sy ny fitandroana ny haja.

Iaraha-mahalala fa tsy ny zava-mitranga ihany no miteraka ny soratra fa eo ny aingampanahy sy ny fahalalana maro. Mpamorona ny mpanoratra ary miaina fahafahana anaty ka tsy azo ferana anatin'ny efajoron'ny lamim-piarahamonina ny haavon'ny fanehoany ny zava-miafina novolavolainy. Mety hiteraka tsy fitovian-kevitra izany nefa harena lehibe ho an'ny vanimpotoana hifandimby. Hitarika ny fon'ny olona hiaina ny fahafahana marina sy hampahay azy hijoro amin'ny maha izy azy izany fa tsy halemy saina eo ambany fatoran'ny ireo tsy mitovy firehana. Mivimbina tsiky sy fanantenana vaovao ihany koa ireny endri-tsoratra ireny.

Raha fehezina, mamoha sy mamaha ny olombelona ny rivo-mitsokan'ny mpanoratra mivoy ny hevitra miitatra amin'ny fahendrena efa neken'ny fiarahamonina. Ivon'ny hetsika ataontsika ny feon'ny fieritreretana ka tsy sanatria hitarika ny olona hanamarin-tena lalandava ireny soratra hafa loko ireny fa mitaona ny tsirairay hahay handanjalanja manoloana ny hantsan'ny tsy fitovian'ny zanak'olombelona.
___________________
NY MPANORATRA MIOITRA NY FIJERIN'NY FIARAHAMONINA
Faniry Ezeckiel — Poetawebs

Commentaires

  • Toetra Ràja

    1 Toetra Ràja Le 23/05/2026

    Mafonja ny fanehoan-kevitra!

Ajouter un commentaire

Anti-spam