Sehatra mampiroborobo ny rohin'ny boky
Rita Ralamboarijaona — 25/04/2026
Tanatin'ny
feo milamina sy milanto no nanaovan'i Rita Ralamboarijaona takalo
tamin'i Mompera Rabenirina, tomponandraikitra voalohany ao amin'ny
Edisiona Ambozontany Analamahitsy.
Hoy indrindra i Mompera : Ny
boky dia manana ny tantarany eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona
tokoa. Ho antsika Malagasy dia ireny tsangam-bato
ireny no mirakitra ny tantara sy ny tany fady. Ireo boky voalohany noraketina teto
Madagasikara dia fantatsika fa
voaangona tany Oslo sy tany Paris izay voarakitra tamin'ny teny Arabo. "Ny teny mandalo, ny kabary manjavona fa
ny soratra mitoetra ho lovain'ny taranaka." Koa ireo firenena izay nampiasa boky dia
nivoatra ary nandroso. Mila finiavana avy amin'ny fanjakana ny
tokony hanokanana vola ho
fanofanana sy famolahana ny ankizy hatreo amin'ny faha-12 taonany mba
hahay hamaky teny sy hanoratra ary ny hampiroboroboana ny gazety sy ny
asasoratra indrindra ireny trano famakiam-boky ireny. Anisan'ny mahatara ny fandrosoan'ny
firenena iray ny tsy
famakiana boky satria tsy ampy 20% ny Malagasy akory no mahavita mamaky
boky. Manjary lasa mihidy anatin'ny tontolon'ny
zava-misy fotsiny isika fa
tsy afaka mivelatra raha tsy mamaky boky amin'ny alalan'izany
fanitarana ny fahalalana sy ny kolontsaina izay vao miampita amin'ny
serasera.
Hoy indray kosa Rabenandrasana Lalao François
(Mpanoratra) : Raha vao miresaka boky dia tsy maintsy
miresaka teny satria samy manana
ny teniny avokoa ny firenena rehetra manerantany. Io no ifaneraserany
sy ifanakalozany hevitra ary io no ahafahany mampita ny zava-baovao sy
ny kolontsaina rehetra eo amin'ny taniny. Fampitana
fahalalana sy fanabeazana ny boky, fanovozana fahalalana
ihany koa ary indrindra mitahiry ireo soatoavina maro amin'ny alalan'ny
mitadidy vava na ny lahabolana ambava dia noraketina amin'ny boky. Mbola tsy
misy mahasolo ny boky na dia efa misy aza ny "technologie moderne" Ilaina ny
mamaky boky satria tsy sahirana ianao amin'ny fanaovana
zavatra na ohatra hoe fandraisana fitenenana fotsiny aza, mba hahatonga
ny tena hivoatra ihany koa. Mahereza
mamaky boky Aza kivy
mamaky sy mividy boky.
___________________ Sehatra mampiroborobo ny rohin'ny
boky Tatitra
: Rita Ralamboarijaona
Sary : Patrick Raveloarison sy Hery Rakotonirainy
Ajouter un commentaire